Fanatanjahantena Sombiny

« Orange Pro League »

Nisongona ny Cosfa ny Ajesaia taorian’ny andro faha-14 amin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja baolina kitra, Diviziona Elita, nandritra an’iny faran’ny herinandro iny. Nandresy ny FCA Ilakaka tamin’ny isa 2 noho 0 ny Ajesaia tany amin’ny kianja Ampasambazaha (Fianarantsoa). Lasa mitarika vonjimaika eo amin’ny filaharana ity farany . Resin’ny Elgeco Plus tamin’ny isa 3 noho 0 ny Cosfa tetsy amin’ny kianja ByPass ka lasa laharana faharoa. Mijanona amin’ny laharana fahatelo ny Cnaps rehefa nandresy ny Jet Mada (3-0) tetsy ByPass.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao