Faritra Samihafa

Tranga tao Ambato Boeny Vehivavy iray nalaina an-keriny tao an-tranony

Nidiran’ny andian-jiolahy amboletra ny trano iray tany amin’ny kaominina Ankijabe, iraika ambin’ny folo kilaometatra miala an’Ambato-Boeny, omaly maraina. Noentin’izy ireo an-keriny ny vehivavy iray, enina amby roapolo taona, tao an-trano. Ankoatra izay, voalaza fa nandroba ihany koa ireo mpanafika. Vola an-tapitrisany no very tamin’ izany.

Raiki-tahotra ny mponin’Ankijabe tamin’ny fahatongavan’ny andian-dehilahy am-polony nanafika nanapoaka basy teo an-tanàna, omaly tokony ho tamin’ny iray ora maraina. Tokantrano iray, izay tombanana ho efa nokendrena mialoha no nidiran’izy ireo. Fantatra fa naratra voan’ny vodibasy ny vadin’ ilay vehivavy nalaina an-keriny. Efa misy andiana zandary nalefa hanampy ny fokonolona amin’ny fanenjehana an’ireo jiolahy mpaka an-keriny. Tsy mbola nahitam-bokany izany, araka ny vaovao heno, omaly.