Sosialy Tapatapany

Tontolo iainana

Faritra mando maro manerana ny Nosy no efa tsy misy intsony, ankehitriny, hoy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra. Ny fanotorana ny faritra mando sy ny famadihana izany ho trano na tanimboly nefa no antony tena mahatonga ny rano be sy ny tsy fahampian-drano eto amintsika, araka ny nivohitra nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra mando teny Antaninarenina, omaly.