Sosialy Tapatapany

Toetry ny andro

Hitohy ny erika sy ny rahona eto Antananarivo ao anatin’ny telo andro, araka ny vinavinain’ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro. Any amin’ny tapany avaratry ny Nosy no mety hahitana orana tandrifin-drahona. Rahampitso no tombanana hilatsaka ny orana eto Antananarivo sy manerana ny Nosy, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy ahiana kosa ny hisian’ny rivo-doza ato anatin’ny telo andro.