Samihafa

Fifaneraseran’ny ankizy Hampianatra asa tanana ny « Kilonga mifamotoana »

Fotoam-bita isaky ny sabotsy voalohan’ny volana. Nahafinaritra ny ankizy sady nahitam-pahombiazana ny
« Kilonga mifamotoana » tamin’iny taon-dasa iny, tetsy amin’ny Ivon-toeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola. Hotohizana hatrany ny hetsika sady hohatsaraina ho fampivelarana ny kolontsaina malagasy eo amin’ny samy ankizy madinika. Hotanterahina, anio, ny andiany voalohany amin’ny « Kilonga mifamotoana », amin’ity taona ity, izay hisongadinan’ny fisian’ny fampianarana asa tanana.

Efa nahazatra kosa ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy, toy ny fitantarana angano. Hitombo hatrany indray ireo karazana kilalao, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra ao amin’ny IKM. Marihina fa kilalao malagasy, toy ny katro sy ny fanorona, no tena ampahafantarina sy ampianarina ary asaina lalaovin’ny ankizy. Hosantarina amin’ny « slam » kosa ny atrikasa.