Samihafa

Fahitana razana Fatin-dehilahy nitsingevana tetsy amin’ny lakandranon’Andriantany

Nahitana fatin-dehilahy iray tao anaty rano maloto tetsy amin’ny lakandranon’ Andriantany tetsy Tsaramasay, omaly maraina. Mipetraka tsy lavitra eo ihany ity lehilahy namoy ny ainy, izay roa amby efapolo taona, ity. Tsy mbola fantatra mazava ny nahazo azy sy ny tena nitarika ny fahafatesany.

Olona mpanadio tatatra sy mpaka fako ao anaty rano no nahita ny razana voalohany, tsy lavitra ny tetezana eo Tsaramasay. Noheverina ho fako na zavatra hafa izany tamin’ny voalohany. Nojerena akaiky, navadika, hay
fatin’olona efa mikarainkona. Nitangorona ny olona. Teo ihany dia fantatra ny mombamomba an’ity nindaosin’ny fahafatesana. «Tsy nody tany an-trano izy, halina (ndrl : ny alin’ny alakamisy). Tsy fantatra na mety ho nisy namono izy, na nianjera, na ihany koa natosika tao anaty rano maloto. Tsy mbola nosavainay ny akanjony. Tsy nahitana ratra na zavatra hafa kosa ny vatany ety ivelany», hoy ny olona akaiky azy tonga nijery ny razana, omaly.
Nisy polisy tonga teny an-toerana nifehy ny olona teo am-piandrasana ny fahatongavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Birao misahana ny fahadiovana (BMH) haka ny razana.