Tranga samihafa

Fitsoahana voampanga Gadra tafavoaka ny fonja tany Tsiroanomandidy

Ifampitadiavana  Rakotonandrasana Tricot na Yvon, voafonja voampanga ho namono nahafaty ny lehiben’ny Zandarimaria tany Ankavandra, volana vitsy lasa izay. Tra-tehaka tany Tsiroanomandidy, tamin’ ny 29 jolay teo, izy ary naiditra am-ponja tany an-toerana mandrapiandry ny fakan’ireo mpanao famotorana azy any Miandrivazo, araka ny baikon’ny Tonia mpampanoa lalàna any an-toerana. Voalaza fa tafatsoaka ny fonja anefa izy, tamin’ny 28 septambra lasa teo. “Voafonja mpahandro sakafo io tafatsoaka io. Mety ny fivezivezena amin’ny maha mpahandro sakafo azy no nanararaotany nitsoahana ny fonja. Miandry ny tatitra an-taratasy avy amin’ny tompon’andraikitry ny fonja any Tsiroanomandidy aho momba an’io. Arakaraka ny tatitra no fepetra horaisina. Raha hita fa misy ny tsirambina sy kitoatoa dia mandray fepetra haingana izahay ato amin’ny foibe fandraharahana ny fonja”, hoy Ranaivo Andriamaroahina Tovonjanahary, tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja.

“Mitady an’io voafonja tafatsoaka io izahay aloha izao. Raha toa ka tsy hita izy dia hisy ny fitoriana hataon’ny Zandarimaria”, hoy kosa ny loharanom-baovao avy amin’ny Zandarimaia any Tsiroanomandidy.