Raharaham-pirenena

Fanohintohinana ny filaminana anatiny Voaheloka higadra telo taona sy valo volana i Berija

Nivaly, omaly, tetsy amin’ ny Tribonaly tetsy Anosy ny didim-pitsarana mikasika ny raharaha niampangana an’i Berija Ravelomanantsoa. Nosazian’ny Fitsarana higadra 44 volana sazy mihatra, izany hoe telo taona sy valo volana itsy farany.

Fanohintohinana ny filaminana anatiny eto amin’ny firenena tamin’ny alalan’ny tambajotrantserasera no vesatra niampangana an’io filohan’ny fikambanan’ny mpianatra mifarimbona ho mpitarika eny amin’ ny oniversite (Soluma) io.

Naiditra am-ponja vonjimaika, tamin’ny 3 jona 2020, izy rehefa avy natao fanadihadiana teny amin’ny borigady misahana ny fikarohana eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena teny Fiadanana.

Nambaran’ireo olona akaiky azy fa somary « mavesatra ihany ity didy navoakan’ny Fitsarana momba an’i Berija ity ».