Tranga samihafa

Fandikana làlan’ny fifamoivoizana Ben’ny tanàna nandrahona mpitandro filaminana

Sady norahonan’ilay ben’ ny tanàna no notsiratsirainy ireo mpitandro filaminana nanakana azy noho ny tsy fanaovany aro loha teny ampanamoriana môtô, tany Imerimandroso-Ambatondrazaka, tamin’ny 28 septambra lasa teo. Voatery noentina natao famotorana tany amin’ny tobimparitry ny zandarimaria any antoerana ity olom-boafidy ity.

“Voasakana teo amin’ny sakana ara-pahasalamana teo Ambohijanaharikely-Imerimandroso ny lehilahy roa nandeha môtô samy tsy nanao aro loha. Rehefa nalaina ny taratasin’ilay môtô dia sady tezitra izy ireo no nilaza fa maika ka tsy tokony hosakanana satria ben’ny tanàna. Tsy nanaiky ireo mpitandro filaminana ka noentina tany amin’ny biraon’ ny zandarimaria izy roa lahy. Mbola nahazo fandrahonana famindran-toerana, raha afaka herinandro, ireo zandary nitondra azy, taorian’izay”, hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana.