Sosialy

Famatsiana eto Antananarivo Toerana valo hametrahana fanadiovana sy famokarana rano

Ao anatin’ny famahana ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina ny orinasa Jirama, amin’ny alalan’ ny tetikasa fametrahana famokarana sy fanadiovan-drano vaovao amin’ny toerana valo. Ao anaty kaontenera no misy an’ ireo fitaovana rehetra mamaly ny fenitra iraisam-pirenena amin’ ny fanadiovan-drano.

Alefa avy hatrany any amin’ ny tambajotra mpitsinjara isantokantrano ny rano voadio, avy eo. Natomboka etsy Ankadindratombo ity tetikasa ity. Afaka hamokatra rano fisotro madio 2 400 m3 isan’andro, izay hamatsy ny kaominina Alasora. Ankoatra an’Ankadindratombo, miampy toerana fito hafa misedra olana amin’ny fahazoana rano fisotro madio izany: Amoronakona (hamatsy an’Ambohimangakely sy ny manodidina), Anosizato (hamatsy ny kaominina Ampitatafika), Tanjombato (hamatsy ny kaominina Tanjombato, Ampasika (hamatsy an’i Bemasoandro sy Itaosy), Andohalafy Ankadimanga (hamatsy an’ Ambohidrapeto sy Ankadimanga)sy Ivato (hamatsy ny kaominina Ivato) ary Sabotsy Namehana (hamatsy ny kaominina Sabotsy Namehana).