Samihafa

Kaominina Miandrivazo Leo fitantanana tsy mahomby ireo mponina

Mitady olom-baovao. Mahatsapa ny ankama­roan’ireo mponina ao amin’ny kaominina Miandrivazo fa potika tanteraka noho ny kiantranoantrano eo amin’ny fanaovana politika ny fitantanana ny tanàna.

“Be loatra ireo lesoka teo amin’ny fitantanan-draharaha teo anivon’ny kaominina ka isan’izany ny resa-bola”, hoy Raherison Riri Ernest, lefitry ny Ben’ny tanànan’i Miandrivazo teo aloha.

Noho io antony io dia miandrandra fiovana ka isan’ireo manohana ny kandidà tsy miankina Ralaitsizanaka Jaona amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ny tenany. “Tsy hisy fivoarana mihitsy raha tsy olom-baovao indray no hitantana ny tanàna ary betsaka ireo efa resy lahatra amin’izany. Ampy izay ny resaka kolikoly”, hoy hatrany ity lefitry ny Ben’ny tanàna teo aloha ity.