Sosialy

Tolotra fifandraisana « 5G » Hosazian’ny Artec ny orinasa Telma

Hilatsaka ny sazy ho an’ny orinasa Telma, taorian’ny fampitandremana efa nataon’ny Antokon-draharaha misahana ny fampanarahan-dalàna ny sehatry ny fifandraisan-davitra (Artec) eto amintsika mikasika ny andrana amin’ilay tolotra « 5G ». Fantatra fa mitohy ihany andrana ataon’iry orinasa iry an’io fifandraisana amin’ny alalan’ny aterineto io, any amin’ny faritra Atsinanan’ny Nosy, na dia efa nisy aza ny fandraràn’ ny Artec.

« Horaisina ny fepetra. Efa tamin’ny volana jolay 2020 no nisy ny fanomezan-dalana ny orinasa Telma amin’ny fanaovana ny andrana mandritra ny iray volana. Efa tsy manan-kery intsony izany, ankehitriny ary izao tsy hajaina izao ny fampiatoana an’izany. Mitohy hatramin’ny dokan-barotra mihitsy, izay mandika tanteraka ny lalàna”, hoy Rakotomalala Lucien, tale jeneralin’ny Artec, omaly.

Namoaka fanambaràna amin’ny maha zava-dehibe ny tolotra 5G manana hafainganam-pandeha ambony indrindra amin’ny fifandraisana aiterineto ny orinasa Telma, afak’omaly. Nambaran’i Patrick Pisal Hamida, tale jeneralin’io orinasa io tao amin’ny tranonkalam-pifandraisan’ny gazety an-tsoratra “Jeune Afrique” fa:“mitentina 20 tapitrisa euros ny fampiasambola natonton’izy ireo tamin’ity tolotra ity eto Madagasikara, ka ny 5 tapitrisa euros no efa naloan’ny Telma tamin’izany”.

Nanamafy anefa ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny nomerika, Ranesa Firiana, omaly, fa “miteraka fanelingelenana an’ireo tambajotram-pifandraisana hafa izao andrana ataon’ny orinasa Telma izao”. “Tsy mbola nahafeno ireo fepetra hahafahana mivarotra an’io tolotra io orinasa io ka azo enjehina amin’ny lalàna”, hoy izy.