Bemiray

Literatiora

Isan’ireo voasafidy hifaninana amin’ny amboaran’ilay fifaninanana hisafidianana ireo mpanoratra mendrika aty Afrika sy Karaiba ary Haïti, “Prix Ethiophile”, ho an’ny taona 2020 ilay bokin’i Johary Ravaloson, mitondra ny lohateny hoe: «Amour, patrie et soupe de crabe», nivoaka tamin’ny taona 2019 natontan’ny “Éditions Dodo Vole”. Ny endrika sy toetran’Antananarivo amin’izao fotoana izao no asehon’ity boky ity. Amin’ny volana septambra no hisafidy ireo mpitsara ka ambara amin’ny fomba ofisialy any Paris amin’ny volana oktobra izay nandrombaka ny amboara “Prix Ethiophile”.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra