Raharaham-pirenena

Fotodrafitrasam-pifamoivoizana Hatomboka tsy ho ela ny fanorenana an’ilay tetezana mihantona eny Ikopa

Raha afaka herinandro vitsy dia hanomboka ny dingana voa-lohany amin’ny asa fanamboarana an’ilay tetezana mihantona misy lalambe migodana (Fly-over) miampita ny reniranon’Ikopa etsy Andohatapenaka sy Ampasika ary mifandray hatrany Anosizato sy Itaosy. Hosantarina amin’ny fananganana an’ireo fototra miainga etsy Andohatapenaka hiampita ny reniranon’Ikopa izany.

« Efa hivoaka tsy ho ela ny antsotolo-bidy amin’io asa voalohany », hoy Randrianandrasana Hajaniaina, tale jeneralin’ny asa vaventy eo anivon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy. Fantatra fa voavolavola avokoa ny drafitra arateknika amin’ny tetikasa. Eo ihany koa ny firoso-ana amin’ny fifampiraharahana amin’ireo mponina manana anjara tany sy trano voakasiky ny fanorenana. «Mandalo dingana maro izany rehetra izany ary efa vonona tanteraka ny fanjakana amin’ ny fametrahana an’ireo lamina manodidina ny tetikasa. Aorian’ ireo dingana ireo vao miroso amin’ny fanonerana ara-bola an’ ireo olona tokony nisitraka an’izany ny fitondram-panjakana», hoy izy.

Fandravàna

Mbola tsy voafaritra aloha hatreto ny isan’ireo fianakaviana tsy maintsy hiala amin’ny trano fonenany na koa ireo olona manana tany voakasiky ny fanorenana an’ireo fotodrafitrasa goavana ireo. Tsy maintsy hatao anefa ny asa, izay heverina ny fiitarany hatrany amin’ny lalam-pirenena voalohany any aoriana any.

Nampahafantarina nandritra ny Filankevitry ny minisitra, tamin’ ny alarobia teo, ny fanombohana ny asa amin’ity taona ity. Vola avy amin’ny fanjakana malagasy no hanatanterahana ny ampahany voalohany, miampy ny famatsiam-bola 20 tapitrisa dôlara avy amin’ny Banky arabo momba ny fampandrosoana (BADEA). Isan’ireo tetikasa nampa-nantenain’ ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ireo lalana mihantona ireo.