Raharaham-pirenena

Fiverenan’ny sidina

Nandritra ny fihaonan’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny fizahantany any Nosy Be, afak’omaly, no nivoahan’ny tombantombana amin’ny fiverenan’ny sidina an’habakabaka iraisam-pirenena eto amintsika, any amin’ny volana oktobra 2020 any ho any. Tsy maintsy harahin’ny fanarahana fepetra isan-karazany, indrindra amin’ny lafiny fahasalamana anefa izany. Voalaza fa efa miroso amin’ny fandinihana an’ireo vahaolana manoloana izany ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisitry ny Fitaterana.