Raharaham-pirenena

Fitaleavan’ny ONE

Namoaka antso tolotra asa ho an’ireo izay liana handray ny toeran’ny tale jeneralin’ny Ofisy nasionaly misahana ny fiahiana ny tontolo iainana (ONE), ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra. Efa voafaritra ao anatin’izany ny mari-pahaizana sy ny traikefa tokony hananan’ireo kandidà liana amin’izany. Nifarana omaly ny fametrahana ny antontantaratasin’ireo kandidà.