Raharaham-pirenena

Famatsiam-bola vahiny

Nankatoavin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), afak’omaly, ny famoahana ny famatsiam-bola mitentina 171, 9 tapitrisa dôlara hanampiana an’i Madagasikara ao anatin’izao fiatrehana ny valanaretina Covid-19 izao. Hoentina hanamaivanana ny fiantraikan’ny fihanaky ny valanaretina eo amin’ny lafiny fahasalamana sy ny lafiny sosialy, indrindra ny fiarovana an’ireo marefo izao nomen’ny FMI izao.