Zavakanto

Fizahantany Antsoina hankafy ny kolontsainy ao anatin’ny « Dian-tanana » ny rehetra

Manana ny teknikany manokana ny fikambanana « Tangala Maitso » amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina malagasy. Maro ireo sahan’asa ataon’izy ireo fa ny « Dian-tanana » no mampivady sehatra maro.

Voasahana avokoa ny fizahantany, ny fampiroboroboana ny vakoka sy kanto ary ny kolontsaina, ny fiarovana ny tontolo iainana. Amin’ny sabotsy 24 aogositra 2019 no hanaovana ny andiany manaraka amin’ity zaha tany ity ka Ambohidrabiby no nosafidian’ny mpikarakara. « Fanajariana amin’ny alalan’ny fizahantany no hatao. Izany hoe misy fitsidihina vakoka, rova sy kianja sy seho vakodrazana ary ny fianarana hetsika fanajariana azo atao amin’ny fiainana andavanandro », araka ny fanazavana avy amin’ny Tangala Maitso.

Kaoperativan’olona voaofana mitondra hasina ny maha Malagasy, manajary ny tontolo iainana, mampiroborobo ny sehatry ny fizahantany ny TangalaMaitso. Manainga ireo mpandray anjara izy ireo amin’io dia hatao io, handray andraikitra manoloana ny tontolo iainana. Hoampahafantarina amin’izany ireo fomba amam-panao, soatoavina, kilalao nentim-paharazana. Misy ihany koa ny fanatanjahantena ; ny « Kilasy Maitso » na fambolena fahombiazana ho fampianarana ny ankizy latsaky ny 12 taona hiaro ny tontolo iainana, hahay hitantana ary hampiroboroboana ny kolontsaina ; ny « Zoman-Tangala », izay ahitana fampirantiana, fifanakalozana ary fizarana; ny « Dimby & Fara », izay famokarana zana-kazo.

Volasoa Randriamanantena

Misy hevitra iray

Tsindrio eo raha hamela hevitra