Tranga samihafa

Zava-mahadomelina Rongony dimy amby roapolo gony saika halefa aty an-drenivohitra

Sarona ny fikasan-dratsy nataon’ny andian’olona hanondrana rongony, tany Ambinaniroa Ambalavao, any amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Tratra, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, ny rongony dimy amby fitopolo sy telonjato kilao saika haondrana aty an-drenivohitra. Voasambotra ny lehilahy roa voarohirohy sy voatondro ho tompon’ ny entana.

Naheno vaovao ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina any Fianarantsoa amin’ny fisiana olona manana rongony marobe. Nanao bemidina nanamarina ny vaovao ny polisy, ny harivan’ny zoma 26 jona lasa teo. Sarona ny rongony nafatratra tamina gony dimy amby roapolo. Tamin’ny famotorana no nahafantarana ny toerana saika hitondrana an’ireo zavamahadomelina ireo.