Samihafa

Lozam-pifamoivoizana Ankizy maty tao anatina fiarana mpanao politika iray

Tra-doza ny fiara tsy mataho-dalana an’ny mpanao politika iray, izay isan’ireo kandidà nilatsaka hofidiana depiote ao Morafenobe, tamin’ny 29 mey lasa teo, ka nahafaty ankizivavy, 12 taona, tao anatin’ilay fiara. Tafavoaka ny lalana ny fiara marika « Ford » ka nivadibadika. Olona dimy hafa no naratra mafy. Isan’ireo ny mpamily. Tsy isan’ireo mpandeha kosa ny tompon’ny fiara.

Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia ahiana ho vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Avy any Ankalalao-Beravina nikasa hihazo an’i Morafenobe io fiara io izao tra-doza izao. Taorian’ny fitsaboana azy tao amin’ny hopitalin’
i Morafenobe dia notazonina ao amin’ny kaomisaria any an-toerana ilay mpamily.