Kolontsaina

Fifindra-monina Haseho an-tsary ny dian’ireo Indiana

Maneho an-tsary ny tantaran’ny fifindra-monin’ireo Indiana nankaty Madagasikara ny fampirantiana etsy amin’ny masoivohon’i Inde, etsy Tsaralalàna, hatramin’ny 3 avrily 2021.

“Manan-danja ny fiarovana an’ireo tsiaro sy ny fampitana an’ireo sary amin’ny taranaka aty aoriana”, hoy i Abhay Kumar, masoivohon’i Inde eto amintsika. Tanjona amin’izao fampirantiana izao ny fampahafantarana an’ireo tanora ny tantaran’ireo razambeny izay nitety tany maro. Mahatratra dimanjato sy fito arivo sy iray alina eo ho eo ireo mpikambana ao amin’ ny fivondronan’ireo mpihavy avy any Inde, izay miparitaka nanerana ny Nosy, ankehitriny.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao