Sombiny

Fiainan’ny antoko Arema

Tsy misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny antoko Arema ny fahalasanan’ny filoha mpanorina azy ny amiraly Ratsiraka Didier. Ny zanany vavy, Ratsiraka Sophie, no sekretera nasionalin’ny antoko, taorian’ny fialan-dRajaonarivelo Pierrot, efa taona maro lasa izay. Teo am-panomanana ny fankalazana ny faha45 taona ny antoko tamin’ny 19 marsa lasa teo no nivoaka ny fanapahan-kevitry ny fanjakana tamin’ny tsy fahazoana mamory olona mihoatra ny roanjato isa. Voatery nahemotra ny fankalazana.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra