Kolontsaina

Fahafatesana mpanakanto Nodimandry i Ndriana Ramamonjy

Toy ny nilatsahambaratra ireo naheno ny fodiamandrin’i Ndriana Ramamonjy, fantatra amin’ny fikaloana hira evanjelika sady mpamoron-kira nanana ny mampiavaka azy, omaly hariva. Teny amin’ny toeram-pitsaboana tsy miankina iray eny Ankadimbahoaka no namoizan’ity mpanakanto ity ny ainy, araka ny vaovao nampitain’ny olona akaiky azy. 64 taona Itompokolahy, izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Isan’ny tena nampalaza azy ilay hira « Ny Fanahiko », ankoatra ny fifehezana zava-maneno maro, toy ny gitara sy vata maroafitsoka. Nanamarika azy ny fitiavany sy ny finiavany mizara ny fahaizany ary ny talentany tamina tarika sy mpanakanto maro.

Manao tohivakana ny fahasalanan’ireo olo-malaza isantsokajiny, indrindra amin’ny tontolon’ny kanto, tao anatin’ny andro vitsy monja, satria fantatra fa nodimandry, omaly hariva, ihany koa i Monique, mpikambana ao amin’ny tarika Ny Voanio, araka ny fampitam-baovao tao amin’ny tambajotrantseraseran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Izy no akanga sisa nanamborana tamin’izy dimy mianadahy tao amin’ ny tarika, izay niforona tany amin’ny taona 1965.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao