Tapatapany Tranga samihafa

Vato sarobidy

Voantso any Maevatanàna ny mpandraharaha iray voatondro fa tompon’ireo vato lafo vidy tsy misy taratasy tra-tehaky ny Zandarimaria tany an-toerana, tamin’ny alakamisy lasa teo. Ireo mpanao famotorana eo anivon’ny pôlisy misahana ny harena an-kibon’ny tany any Maevatanàna no mandray an-tanana ity raharaha nahasaronana vato sarobidy milanja telo taonina tao anaty kamiao ity.