Fanatanjahantena

Kitra Analamanga Resy fanintelony ny Elgeco Plus

Tsy mbola tafarina ny Elgeco Plus. Resy fanintelony ny tompondan’Analamanga, tamin’ny alarobia lasa teo, teny amin’ny kianjan’i Carion, nandritra ny andro fahenina amin’ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, Diviziona voalohany na ny Ligy 1.Taorian’ny CF-TFC sy ny Tana Formation-CFFA, dia ny Cosfa indray no nandavo azy ireo tamin’ny isa 3 noho 2 (3-2).

Tany amin’ny faran’ny lalao vao nahita irika ny miaramila, raha nampiditra baolina fahatelo farany i Nosy, nahafahan’ny Cosfa nibata ny fandresena.

Lalao roa hafa no tanteraka, tamin’ny alarobia lasa teo. Nomontsanin’ny Fosa Juniors Tana tamin’ny isa mavesatra 4 no ho 1 ny Jet Mada. Nandresy ny Mi20 tamin’ny isa tery 1 no ho 0 kosa ny AS Adema .

Omaly kosa no tontosa ireo lalao telo farany amin’ity andro fahenina ity, teny Carion. Nahitana baolina tafiditra maro dia maro izany, satria nikobana intsivy ambin’ny folo ny harato. Lavon’ny Five FC sy ny Uscafoot tamin’ny isa mitovy ny COSPN sy ny CT-TFC (4-2). Nandresy ny Disciples FC kosa ny Mama FC (4-3).