Sosialy

Fifamoivoizana eto an-drenivhitra Mihisatra toy ny dian-tsokatra ny fanamaivanana ny fitohanan’ny fiara

Nisosa ny fifamoivoizana tamin’ny arabe sasany, mbola mihisatra kosa ny fitohanan’ny fiara tamin’ireo lalana maro. Azo lazaina fa nalalaka ny fivezivezena tetsy Analakely mankany Behoririka, omaly, taorian’ny fepetra fanakisahana ny mpivarotra manembantsembana ny arabe mba hampandeha ny fifamoivoizana.

Hetsika niarahan’ny pôlisy avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra (Cua) sy ny Pôlisim-pirenena, taorian’ny fivoriana niarahan’ny Prefektioran’Antananarivo renivohitra tamin’ny Cua sy ny Boriborintany. “Tsy mbola niroso tamin’ny fanesorana ireo mpivarotra aloha izahay fa nanakisaka an’ireo izay tena anaty arabe. Nisy kosa ireo nania ka tsy maintsy niroso tamin’ny fanesorana azy ireo izahay”, hoy Raveloson Landy, tompon’andraikitry ny fitaterana eo anivon’ny Cua. Ny teo Analakely ihany aloha no nanatanterahana an’ity hetsika ity. Ankoatra izay, tsy mbola nisy asa hafa nivaingana toy ny fanesorana ireo fiara miantsona eny amin’ny sisin-dalana. Tsiahivina fa efa ela no nanome baiko ny avy eo amin’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo fa tsy azo atao intsony ny mitoby eny amin’ny sisin’arabe. Betsaka ireo fiara tsy manaja izany ary tsy mbola nisy ihany koa ny fepetra noraisin’ny avy ao amin’ny Cua mba hamahana ny olana. Mitombo isa andro aman’alina hatrany kosa ireo posiposy sy sarety mandeha amin’ny andro antoandro ary miantsona eny an-dalana rehetra eny.

Faritra maro no mitaraina amin’ny fitohanana ateraky ny fisian’ireo mpivarotra amoron-dalana, ny sarety sy posiposy izay mibahana ny arabe.