Sosialy

Fanalam-baraka sy tsaho Nametraka fitoriana ity lehilahy nolazaina ho nanolana ny zanany

Niely tao amin’nytambajotra « Facebook », afak’omaly, ny hoe: tadiavina fa nanolana ny zanany vavy, enina taona, ny lehilahy iray. Hita nibaribary tamin’izany ny sarin’izy mianaka ireo. Fantatra fa efa nametraka fitoriana noho izao fanalana baràka sy fanelezana tsaho momba azy izao ilay raim-pianakaviana.

Manamafy izany ny pôlisy misahana ny heloka amin’ny fitaovan-tserasera (Cybercriminalité) etsy Anosy. Efa an-dalam-pikarohana an’ireo olona voasaringotra sy manao fanadihadiana amin’ity tranga ity ny mpanao
famotorana.

«Voararan’ny lalàna ny filazana tsaho. Izay fitoriana na fitarainana voaray ihany anefa no anaovanay fanadihadiana. Tsy maintsy atao kosa ny famotorana rehefa misy ankizy voatonona na mifandray amin’izany», hoy ny Kaomisera Hassan Monigue, lehiben’ny pôlisy misahana ny heloka amin’ny fitaovan-tserasera, etsy Anosy.
Amin’ity tranga ity ihany dia voalaza fa fitarainana sy fanambaràna momba ny fandikan-dalàna ao amin’ny tambajotra« Facebook » miisa iraika amby roapolo no voarain’ ny pôlisy etsy Anosy, tamin’ ny volana janoary lasa teo iny. Resaka fanalam-baràka, fandrahonana, fanelezana vaovao tsy marina aryfisandohana anarana no voatonona ao anatin’ireo fitarainana ireo.

Uncategorized

Fanalam-baraka sy tsaho Nametraka fitoriana ity lehilahy nolazaina ho nanolana ny zanany

Niely tao amin’ny tambajotra « Facebook », afak’omaly, ny hoe: tadiavina fa nanolana ny zanany vavy, enina taona, ny lehilahy iray. Hita nibaribary tamin’izany ny sarin’izy mianaka ireo. Fantatra fa efa nametraka fitoriana noho izao fanalana baràka sy fanelezana tsaho momba azy izao ilay raim-pianakaviana.
Manamafy izany ny pôlisy misahana ny heloka amin’ny fitaovan-tserasera (Cybercriminalité) etsy Anosy. Efa an-dalam-pikarohana an’ireo olona voasaringotra sy manao fanadihadiana amin’ity tranga ity ny mpanao
famotorana.
«Voararan’ny lalàna ny filazana tsaho. Izay fitoriana na fitarainana voaray ihany anefa no anaovanay fanadihadiana. Tsy maintsy atao kosa ny famotorana rehefa misy ankizy voatonona na mifandray amin’izany», hoy ny Kaomisera Hassan Monigue, lehiben’ny pôlisy misahana ny heloka amin’ny fitaovan-tserasera, etsy Anosy.
Amin’ity tranga ity ihany dia voalaza fa fitarainana sy fanambaràna momba ny fandikan-dalàna ao amin’ny tambajotra « Facebook » miisa iraika amby roapolo no voarain’ ny pôlisy etsy Anosy, tamin’ ny volana janoary lasa teo iny. Resaka fanalam-baràka, fandrahonana, fanelezana vaovao tsy marina ary
fisandohana anarana no voatonona ao anatin’ireo fitarainana ireo.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra