Sosialy Tapatapany

Fahatapahan-dalana

Ho tapaka ny lalana manodidina ny farihin’Anosy, amin’ny alahady 3 febroary manomboka amin’ny valo ora maraina hatramin’ny telo ora hariva, hoy ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo. Ny fanatanterahana ny hazakazaka andiany fahenina amin’ny “Course eau vive-athlétisme pour tous” no anton’izao fanapahana lalana izao.